<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>775</hymn_number>
<title>Ry Jesosy Tomponay, mamindra fo aminay FFPM775</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jesosy Tomponay !
 Mamindrà fo aminay ;
 Be ny hasoavanao,
 Be ny fitiavanao ;
 Zazakely izahay,
 Mamindrà fo aminay.

[V2]
 Fony teto aminay
 Hianao sakaizanay,
 Tia zaza Hianao,
 Zaza notrotroinao :
 Zazakely ..sns.

[V3]
 Masina sy marina
 Hianao, ry Tomponay !
 Hamasino izahay
 Mba ho zanakao tokoa :
 Zazakely ..sns.

[V4]
 Be ny fahavalonay
 O ! arovy izahay ;
 Manomeza fo madio,
 Fo miankina aminao :
 Zazakely ..sns.

[V5]
 Ary raha tapitra
 Ny iainanay atý,
 Ento ny fanahinay
 Honina ao an-danitra :
 Zazakely ..sns.</lyrics>
</song>